Fanondranana Sokatra Antsokosoko Teny Ivato, Saron’ny «PAF»

Tratra tao anaty fiaramanidina Ireo Sokatra Saika Ahondrana, Ahiahiana Ho Misy Olona Miasa Eo Anivon’ny Seranana Miray Petsapetsa Amin’izao Raharaha Izao, Mitohy Ny Fanadihadiana Ataon’ny Paf Ary Mbola Misy Olona Hafa Ihany Koa Karohina.

Olona miisa telo (03) ka teratany sinoa 34 taona ny iray no voasambotry ny Polisy miasa eny amin’ny seranam-paiaramanidina Ivato(Police de l’Air et des Frontiéres) ny 17 desambra 2017 lasa teo noho ny fanondranana sokatra antsokosoko.
Ny 17 desambra 2017 maraina tamin’ny fiaramanidina mampitohy an’I Madagasikara sy Guangzou zotra “MD 018” dia nahazo vaovao ny Polisy miasa ao amin’ny PAF fa nisy sokatra tafiditra ao anatin’io fiaramanidina io.

Nandray ny andraikiny avy hatrany ny Polisin’ny PAF, niroso tamin’ny fitsirihana ny tao anatin’ny fiaramanidina, ka hita tao ambany seza ilay valizy nisy sokatra.

Niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana ireo olona ahiana ho tompon’ny entana ny Polisy, ka tra-tehaka ny olona telo (03) ary misy namany iray hafa ihany koa izay mbola hifampitadiavana : teratany sinoa ny iray (01) ary teratany Malagasy ny roa (02).
Sokatra miisa 13 no sarona tao anatin’ilay valizy izay efa tafiditra tao anatin’ny fiaramanidina ary nafenina tao ambanin’ny seza, Angoroka ny efatra amin’ireo, izay anisan’ny sarobidy sy voararan’ny lalàna ny fanondranana azy.
Avy any amin’ny faritra Toliary sy Majunga ireto sokatra ireto izao saika haondrana any Sina izao, ary raha ny fanambaran’ireo voarohirohy dia tsy vao izao izy ireo no nanao izany.

Marihina fa nandritra ny fotoana nisamborana ity sinoa ity dia niezaka nanohatra sy nitroatra mafy ity farany, ka nakapony tamin’ny “goudron” sy tamin’ny rindrina ny lohany izay niteraka ny faharatrany .
Ahiana ny hisian’ny olona izay miasa eo anivon’ny seranam-piaramanidina ihany ho miray tsikombakomba amin’ity raharaha ity. Miroso amin’ny fanadihadiana lalina kokoa ny avy eo anivon’ny PAF, ary efa misy ireo olona hafa izay karohina fatratra mahakasika ity raharaha ity.

Source : http://www.policenationale.gov.mg

Laisser un commentaire