Zazavavy 13 taona no novonoina rehefa avy naolana.

img_8510

Miha  mahazo vahana ny fanolanana  ao Andramasina. Niaiky i Beloha sy ny namany 2 lahy  fa nanolana sy namono nahafaty an’i Tsilavina tamin’ny fomba fomba feno habibiana.

Ny Alahady faha 9 ny volana octobre lasa teo no nitranga ny loza. Rehefa nandrasana ka tsy tonga tao an-trano i tsilavina io harivany Alahady io dia raikitra ny fitadiavany fianakaviana azy sy ny fokonolona. Rehefa lany haiky ireto farany dia nanapa-kevitra ny hitondra ny raharaha eny anivony mpitandro filaminana.

img_8503

Nandray ny andraikiny avy hatrany ny mpitandro filaminana ka rehefa nitondrana alika dia nijanona nitokona tsy nety niala teo amin’ny Beloha  ilay alika ka rehefa natao ny famotorana dia nanondro ny namany 2 hafa i Beloha.

Raha araka ny fitantarany dadatoany Tsilavina dia efa fomba fanaony Beloha  izao ary efa nisy fianakaviana niharany herisetra tahaka izao  tany aloha ka nitondra vohoka  tsy fidiny noho ny hetraketrak’ireto farany.

Raha tsiahivina dia taminy fomba feno habibiana no namonoana an’ny Tsilavina satria sady nokendaina no naolana ary  notapahana ny valahany.img_1786

Tsy nanaiky raraham-pihavanana ny  fianakaviana, kanefa izy ireo indray amin’izao fotoana izao no hiharany fandrahonana fa tsy maintsy hanao valifaty ireo nahavanon-doza.

Ireto  fianakaviana ireto ihany anefa no niharo ireo mpanolana raha saika niharany fitsaram-bahoaka izy ireo. Efa any  Ambatolampy  ireto jiolahy ireto amin’izao fotoana izao kanefa dia mandeha ny resaka fa 3 volana ihany izy ireo raha ela indrindra  no mijanona any.

Tsy vao sambany no nahitana trangana fanolanana tahaka izao tany Andramasina fa efa fomba  fanao ka tokony  tsy handrihandry manan-draharaha ny tompon’andraikitra any an-toerana fa handray ny andraikitra manandrify azy avy hatrany.

Laisser un commentaire