Vonjy Rano Vaky ho an-dRandrenja.

5 volana izao no tratry ny homamiadana eo amin’ny tsinay Randrenja na i Gerard tompony trano mpamokatra « Horizon » sady efa niara niasa akaiky tamin’ny «Scoop Digital » nandritry ny 8 taona.

Tao anatin’ny iray volana anefa dia niombo ny aretiny ary niasarotra ny fitsaboana ka sahirana ny fianakaviana. Manoloana izay indrindra dia misy ny fiaraha-mientana teo amin’ny mpiara misehatra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika ho entina hanapina an-dRandrenja noho ny halafon’ny fitsaboana.

Tsy ny mpanao sary mihetsika irery no antsoina fa ny olon-drehetra mahalala tanana. Ho an’ireo olona izay maniry hanampy, inty ny nomerao ahafahana mandrotsaka vola : Airtel Money 033 06 000 50 ; M-vola 034 08 000 50.

Laisser un commentaire