TSY ATAO GABORARAKA NY FITANTANANA NY ALA

Ny volana aprily no nandraisan’ny Minisitra Dr Ndaimananjara Johanita, ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana, ny Haivoahary sy ny Ala. Inona no zavatra niseho tao anatin’izay fotoana izay, inona no zavatra vita, ny asa mbola miandry. Tahaka izao ny dinika nifanaovana taminy.

F : Aiza ho aiza ny resaka Andramena amin’izao fotoana izao? Ahoana ity sazy mbola alatsaky ny “Cites” ity?

Minisitra Ndaimananjara Johanita:
“Ny sazy omen’ny “Cites” ve tsy efa nilatsaka foana hatramin’izay. Amin’izao fotoana izao isika matoa tsy afaka mivarotra, tsy afaka manondrana an’ireo hazo sarobidy ireo dia noho ny tsy fahafenoantsika ny fepetra notakiana iraisam-pirenena satria misy ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, nandripaka ny alantsika, izay tena goavana ary nalaza manerana an’izao tontolo izao. Izay fotsiny dia efa nahazoana an’izay sazy avy amin’ny “Cites” izay. Nisy ny fepetra tokony namahana azy kanefa dia tsy nahavaha izany isika tamin’ny fotoan’androny. Amin’izao fotoana izao dia mitombo hatrany izany, kanefa tsy atao mahakivy fa nisy fe-potoana napetraka hanatrarana ilay fepetra, fanaterana na fandefasana an’ireny tatitra ireny. Efa lasa ny antsika tamin’ny faha-24 ny volana jolay 2016 lasa teo koa dia miandry izay toromarika manaraka. Ny fivoriana lehibe dia atao amin’ny 24 septambra ary hanatrika an’izany isika. Ady no atao amin’io satria fifandresen-dahatra goavana. Isika amin’izao dia tsy mahazo mivarotra an’ireo hazo sarobidy ireo. Ary izay no tena iadiana any. Mbola tsy fenontsika ny fepetra satria mbola tsy voaisa ara-dalàna, mbola tsy voamarika ara-dalàna ary mbola tsy voavary amina toerana iray atao hiarovana azy, ireo hazo ireo. Ireo hazo izay efa nambaran’ireo mpandraharaha mpanondrana hazo no tiana hambara. Ireo hazo efa nogiazan’ny Fanjakana dia efa voaisa, voamarika ary efa voapetraka amin’ny toerana hahafahana miaro azy ireo ary efa vita audit mihitsy aza. Ireo no angatahana amidy mba hahafahan’ny firenena manisa izay ambiny mbola tsy vita. Raha araka ny nambaran’ny mpandraharaha dia bolabola 270 000 no misy ao aminy , ary 27 000 ny bolabola efa nogiazana”.

F: Tahaka ny ahoana ny fandresen-dahatra hatao?

NJ : “Ny tena olana izany izao dia ireo hazo nambaran’ny mpandraharaha ofisialy fa mbola ao aminy dia mbola tsy voaisa sy tsy mbola voamariky ny Fanjakana, izany hoe efa voaisan’ny tompony fa tsy mbola voaisan’ny Fanjakana. Izay no mahatonga antsika miteny fa tsy mbola tratra ny fepetra hatreto, nefa tsy kivy isika fa tsy maintsy miady mba hanatrarana ny fepetra, satria izay no lalàna nekena, raha eo amin’ny lafiny iraisam-pirenena. Antenaina fa ho resy lahatra izy ireo satria tsy maintsy mafimafy ny adihevitra sy dinika atao amin’izy ireo. Raha ny fepetra apetraka dia tsy maintsy mahafeno an’ireo isika fa eo amin’ny ara-toekarena kosa dia heveriko fa tokony jerena ihany ny hahafahana mivarotra ireo satria efa misy ny asa atao na eto an-toerana na any ivelany amin’ireny fivoriana maro samihafa atao ireny, dia misy ezaka atao foana amin’ny fanatrehana ireny”.

F: Ahoana indray ny momba ny Chaine Spéciale?

NJ : “Isika efa manana ny didy fampiharana an’ilay “Chaine speciale” natao hitsarana ny raharaha andramena. Voasoratra ao anatin’io ny fananganana ny Chaine spéciale, ny brigade mixte d’enquete, ny fametrahan’ny Fitsarana ny olony hanao ny Fitsarana ny raharaha momba an’io, izay tratra amin’ny fanondranana ny hazo sarobidy. Voasoratra ao koa ny fitsinjarana rehetra mety hisy amin’ny vola azo amin’ny fivarotana an’ireo hazo ireo. Tafiditra ao ny an’ny mponina any ifotony, hahafahany mitady vola ho azy, na koa hanamboarana fotodrafitrasa mahasoa azy any ifotony. Ny baiko azo amin’ny fametrahana ny Chaine spéciale dia tsy maintsy manao tondrozotra izahay eo amin’ny asa rehetra tanterahina nanomboka tamin’ny nandaniana tamin’ny Filankevitry ny Minisitra ny Didim-panjakana mampihatra an’iny Lalàna iny. Na tsy ho vita aza mandra-pahatonga ny volana septambra ivoriana ny fomba fanatanterahana ny fanisana ny hazo, izay efa nambaran’ny tompony fa mbola tsy vita dia apetraka

Bdr

ao anatin’ny tondrozotra izany mba hahafahana mamoaka ny finiavana ara-politikan’ny fitondram-panjakana amin’izany fiarovana ny ala sy ny hazo sarobidy izany.
Hatramin’ny nahatongavanay teo amin’ny toerana, dia nifanome tanana avokoa ny rehetra amin’ny fanaraha-maso ny fanondranana antsokosoko ny hazo sarobidy, ny paikady efa mipetraka, tsy mbola nahita ary tsy nahare intsony ny fanondranana antsokosoko an’izany hazo sarobidy izany ary miandry am-pitoniana avokoa ny rehetra ny valin’ny dinika atao amin’ny “Cites” mandritra ny fivoriana lehibe atrehina”.

F: Raharaha Fanalamanga, manao ahoana ny fitantanana amin’izao fotoana izao?

NJ : “Ny Fanalamanga moa dia Orinasa miankina amin’ny Fanjakana ary vao avy nankalaza ny faha-40 taonany, ary nanatrika izany ny tenako. Manatsara hatrany ny fomba fiasa sy fitantanana ao ny Fanjakana. Raha tao anatin’ny fahasarotana ny fitantanana tao dia efa manomboka mivaha ny olana ary manao ny ainy tsy ho zavatra ny Fanjakana amin’ny famelomana sy famerenana amin’ny laoniny ireny orinasa izay miankina aminy ireny. Hatreto dia mandeha tsara ny asa tanterahina ao amin’ny Fanalamanga. Ny Minisiteran’ny Tontolo iainana, ny Haivoahary sy ny Ala dia manana solontena ao anatin’ny Filankevim-pitantanana izay afaka mijery sy mandrindra ny asa. Manara-maso ihany koa ny asan’ny Fanalamanga na dia mahaleotena aza izy amin’ny fitantanana.
Tsy ny ala mikatona no olana amin’ny tsy fisian’ny arina fandrehitra, fa ireo olona mpamokatra azy ity no lasa nanao asa hafa satria efa miakatra ny vary amin’ny Faritra Alaotra iny dia nitady lalam-bola hafa ny olona. Variana tany amin’ny zavatra hafa ny olona mpanao saribao. Na izany aza anefa dia misy ny fandrindrana tsy maintsy atao satria raha miaraka ripaka daholo ny ala dia inona no sisa ho an’ny taranaka faramandimby. Izay no nampiakatra ny vidin’ny saribao. Amin’izao fotoana izao koa anefa dia tsy maintsy misy ny fandraisana fanapahan-kevitra hitantanana an’izany saribao izany ka natsahatra aloha ny fanondranana azy io any ivelany. Tsy maintsy ampifandanjana ny tolotra sy ny tinady”.

F: Ripaka vokatry ny doro-tanety ny ala amin’iny Faritra Andrefana iny amin’izao fiandohan’ny volana aogositra izao. Inona no fepetra raisin’ny Minisitera?

NJ : “Efa misy paikady napetraka mikasika ny fanaraha-maso an’ity doro-tanety ity. Efa mipetraka izany isam-paritra, amin’izay misahana izany ary efa miparitaka eny amin’ny Disitrika sy ny Kaominina ihany koa. Paikady natao hiarovana ny ala, ny tany sy ny nofon-tany. Iaraha-mahalala fa izany mandoro tanety izany dia mandoro Tanindrazana ary tsy mitondra soa ho an’ny vahoaka Malagasy indrindra fa ilay Faritra itrangan’izany satria mamono ny tany, no mahafaty ny biby manodidina izay mitondra soa ho an’ny olombelona. Miteraka voka-dratsy izany, ka efa nandray fepetra izahay fa tsy maintsy hanasazy izay tratra. Ny fepetra iraisana dia misy fanasaziana ary ny zavatra rehetra dia misy Lalàna mifehy avokoa. Hentitra izahay satria ny Lalàna tsy maintsy ampiharina. Arakaraky ny haben’ny heloka ataon’ny olona no hampiharana ny sazy amin’izay tratra. Ato ho ato dia hanaparitaka ny voan’ny hazo izahay hahafahana miady amin’ny doro-tanety”.

F : Tahaka ny ahoana indray ny fepetra raisin’ny Minisitera momba ireo sokatra aondrana an-tsokosoko any ivelany?

NJ : “Isan’ny hanakianan’ny olona antsika ny tsy fampiharana ny Lalàna rehefa misy heloka ataon’ny olona iray fa hoe vitan’ny raharaham-pihavanana. Eto aho dia milaza fa tsy handefitra amin’io fa hanasazy ary manasazy izay tratra. Efa betsaka ireo olona naiditra am-ponja tamin’io ary tsy hipetra-potsiny ny tomponandraikitra rehetra. Ny anjaran’ny Minisitera dia ny mampita, mampahafantatra ny tombontsoan’ny fananana an’ireny sokatra ireny ho antsika sy manara-maso ny fiompiana azy ireny, ary mijery ny olona mangalatra azy ireny. Nahatratra olona nangalatra azy ity isika tany amin’ny faritra Androy iny. Sokatra miisa 643 no saika angalarina, aondrana any ivelany.

angonokaweb

625 sisa tafaverina satria nisy maty vokatry ny fitondrana azy teny an-dalana. Nisy koa tao Mahajanga, ny alatsinainy 1 aogositra 2016 teo, ireo olona tratra, nanana finiavana handeha hangalatra, nanapatapaka an’ireo fefy izay natao iarovana an’ireo sokatra Angonoka ireo. Ity karazana sokatra ity dia eto amintsika ihany no hahitana azy manarena an’izao tontolo izao. Efa mandeha ny famotorana amin’izao fotoana izao, ho hita eo ny valiny. Miisa 400 ity sokatra ity raha tonga teto nandray ny Minisitera izahay, telovolana lasa izay. Amin’izao fotoana izao isika dia tsy manana afa-tsy 170 sisa ny lehibe. Tokony hieritreritra isika fa loza mitatao ho an’ny Firenena ity halatra sokatra ity.

* Mbola nahemotry ny Cites hatramin’ny faran’ny taona 2016 ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika an’ireo andramenan’i Madagasikara. Io fotoana omeny io no hamenoan’i Madagasikara an’ireo fepetra takiany sy angatahan’izy ireo mba hahafahana mivarotra an’ireo andramena efa voaisa.

Jenny RAZAKASON

http://www.dggfpe.mg/index.php/2016/10/05/tsy-atao-gaboraraka-ny-fitantanana-ny-ala/