Telo taona ny fikambanana Renault 4L Mada

3 taona izao no nijoroany fikambanana mampivondrona ny Renault 4L Mada mbola eto Antananarivo no mijoro ity fikambanana ity saingy ho ezahany tompon’andraikitra ny hanaparitaka izany manerana an’ny Madagasikara .
Efa maro ireo hetsika nokarakaraina ary amin’izao fotoana izao efa mahatratra hatrany amin’ny 1 alina ireo mpikambana ao anaty tambajotran-tserasera .
Hifampiarahaba nahatratra ity taona vaovao ity ny fikambanana amin’ny Alahady faha 25 ny volana Febroary ho avy izao izay ho tanterahana eny Ilafy Sahamadio .
Tanjony fikambanana ny hampivondronana ireo mpankafy ny fiara 4L ,eo ihany koa ny fifampizanana traik’hefa , misokatra hatrany ihany koa ny fikambanana ho an’ireo izay te hiditra ho mpikambana .

FB Renault 4L Mada : https://m.facebook.com/profile.php?id=385606884840531&ref=content_filter

Laisser un commentaire