Hanolotra seho miavaka eto andrenivohitra – Herbert Léonard

Fampisehoana  2  no ho atolotry    Herbert  Léonad  ny mpankafy  androany faha  10  ny volana Déc  etsy amin’ny Hotel Carlton Anosy  izay hanomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva ankoatra ny etsy amin’ny lapany kolon-tsaina sy ny fanatanjahan-tena etsy Mahamasina ny faha  12 ny volana  Dec  izao.

Hira tsy afaka ambavany maro ny « Pour le plaisir , sy  ny château  valant »  ary raha hiverenana dia ny taona 70 no tena nampalaza sy nahafantarana ny hiran’ity mpanakanto Frantsay ity.

Sambany teo amin’ny tantara  no hanaovany  fampisehoana goavana  eto Madagasikara ary efa faniriany efa ela ny hanatanteraka izany saingy izao vao tontosa  noho ny fiaraha miasa matotra teo aminy sy ny Media Consulting.

Haharitra ora iray mahery ny seho ho an’ny androany  ary ho hiraina ao avokoa ireo  hira nahafantarana azy  hatramin’izay.

Efa tomombana avokoa ny  fanomanana rehetra  na ny mpitendry na ny vahiny nasaina , vonona hampiseho ny tsara indrindra any aminy  i Herbert Léonard  sy ny Media Consulting  ka ny mpankafy sisa no andrasana.

Efa azo jifaina etsy amin’ny super music Analakely ny tapakiLa ankoatra ny eny amin’ny foibeny Media Consulting Ankorondrano ,IFM  Analakely ,, Carlton Anosy ary Jumbo Score Ankorondrano.

Ny vidim-pidirana ihany koa natao ho zakany fahefa mividiny malagasy.

Ho feno ny fandaharam-potonany  Herbert  Léonard mandritra izao fandalovany eto Madagasikara izao  amin’ny alalany fizahan-tany  ary anisany tena mahaliana azy ny hijery Bobab.

Hanitra k

Laisser un commentaire