Nalahatra ireo Mpanjifa mampiasa ny zotra makany Itaosy (KOFITAMA – 133)

Nasiam-pandaminana nanomboka androany ny zotra 133 mampitohy Analakely Itaosy Cité sy ny Itaosy Hopitaly izany hoe ny avy eo anivony koperativa Ambinintsoa sy ny koperativa kofitama.
Izany dia ho fitsinjovana ny fijalian’ireo ireo olona mampiasa ireo zotra ireo vokatrin’ny fikorontanana sy ny fisisihana mandritra ny ora fodiana amin’ny hariva.

Fandaminana amin’ny alalany fampilaharana ireo mpandeha no nentin’ny avy eo anivony ATT, ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa na ny Fimzompam ,ny ben’ny tanana Ambavahady tokana Itaosy ary ny filohany kaoperativa Ambinintsoa sy Kofitama.

Marihina fa fa efa nanomana navette ny zotra 133, navette izay hiodina eo amin’ny Fiaro hitatitra olona makany Itaosy manomboka amin’ny 5 ora hariva.

Mampilamina ireo mponina izao fandaminana izao raha nanontaniana ny hevitr’izy ireo saingy mipetraka ny fanontaniana hoe mety aharitra hatramin’ny oviana dia zotra aiza indray no hanaovana ny fandaminana manaraka.

Laisser un commentaire