Miezaka mamelona ny orinasa malagasy ny Ministeran’ny indostria

Miezaka mamelona tanteraka ireo orinasa izay efa nikatona  ary mitady ihany koa vahaolana amin’ny amin’ireo orinasa izay misedra olana ry zareo eo anivon’ny ministeran’ny indostria sy ny fampivoarana ny sehatra tsy miankina,misy mihintsy ny fidinan’izy ireo eny ifotony mba ahitana ny tena olana amin’ ireo orinasa ireo, isany efa notsidihan’izy ireo ohatra ny orinasa sucoma teo ihany koa ny sirama ao brickaville sy ny any Nosybe hell ville. Ny farany herinandro lasa teo moa dia tany amin’iny faritry toliara iny indray nijery ilay orinasa mpamokatra landihazo, notsindrian’ny minisitry ny indostria moa fa ireny orinasa ireny no fototra voalohany mamaha ny olan’ny fahantrana eto amintsika, nandritra izay fidinana ifotony izay notanterahin’ny minisitry ny indostria sy ny fampivoharana ny sehatra tsy miankina Andriamatoa Chabani Nourdine izay dia efa nahitana vahaolana avokoa ireo orinasa manana olana ireo.

Victoire Raphael

Laisser un commentaire