Mbola rakotra mpitandro filaminana i Soamahamanina na dia efa nangoron’entana aza ireo sinoa

Hatreto tsy hijanona ny hetsika raha tsy mivoaka ny naman’izy ireo any Antanimora, ankoatra izay takiana ihany koa ny fanafoanana ny taratasy fahazoan-dalana hitrandraka any amin’ny faritry Itasy.

Tsy ekena ihany koa ny fisamboran’olona tsy aminy antony ka voatondro ho tompon’antoka amin’izany ny ben’ny tanana any an-toerana.

Anisany tena mampalahelo ny mponina eto soamahamanina ny fahafantarany filoham-pirenena ny olan’izy ireo kanefa  hetreto tsy misy ny fandraisan’andraikitra.

Raha tsiahivina dia tany mirefy 7 ha no voalaza ho trandrahana kanefa tany mirefy 137 ha no voatrandraka , miampy fitrandrahana fasimainty.

Efa taminy 8 ora maraina no niatrana teto an-toerana  ireo mpitandro filaminana.

Vahoaka milamina ny vahokany Soamahamanina ka tsy mila andrasana mpitandro filaminana, betsaka ny asa miandry azy ireo toy ny fanenjehana dahalo any Bongolava  kanefa lany andro ao Soamahamanina.

Raha ny mikasika ireo sinoa kosa indray dia efa tamin’ny Alatsinainy izy ireo no nangoron’entana ,tonga nanamarina izany teny an-toerana  ny mpanao gazety saingy tsy nahazo alalana afa-tsy solotena vitsivitsy  haka sary ka isan’izany ny mpanao gazety teto amin’ny gasikara.info.

Hk

Laisser un commentaire