Manohana akaiky ny kaominina ny ONG Madasun sy ny Cnaps

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy androany   ireo fitaovana hanatanterahina ny lalao baolina kitra hiadiana ny coupe de noel izay ho tanterahina  any amin’ny kaomina Mahereza ny faha 24 ny volana Decembre ho avy izao.

Tonga nandray ireo fitaovana ireo   ny ben’ny Tanana ny kaomina Mahereza. Fitaovana toy ny maillot sy  baolina maromaro  izany hoe fitaovana feno ahafahana milalao. Mpilalao miisa 11 isakin’ny ekipa no handray anjara amin’ity  fifaninanana ity.

Marihina fa ny ONG Madasun sy ny Cnaps no tompon’antoka amin’ny fanohanana izao lalao izao mba ahafahana mampandroso ny tanora sy ny fanatanjahan-tena. Tsy hijanona hatreo ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaomina Mahereza sy ny ONG Madasun sy ny Cnaps. Marihina ihany koa fa tsy kaomina vitsivitsy fotsiny ihany no hiarahany ONG Madasun sy ny Cnaps miasa fa misandrahaka manerana an’ny Madagasikara ary tsy hampidirana resaka politika fa ny lalany  fampandrosoana no tanjona .

Laisser un commentaire