Mankalaza ny faha 150 taonan’ny fifandraisany i Etazonia sy Madagasikara

Ny America Week dia hetsika tanterahina mandritra ny 2 andro  etsy amin’ny lapany Tanana Analakely

Hetsika  hanehoana ireo tohana nomeny vahoaka sy ny governemanta  Amerikana ho an’ny vahoaka Malagasy

Nasongadiny Masoivoho Amerikana Robert T Yamate taminy kabariny fa manan-danja ny fifandraisana eo amin’ny firenena 2 tonta ankoatra izay nampanantena  izy ny hisiany fampitomboana ny fifanakalozana ara-barotra, ny fampitomboana ny isan’ireo mpianatra Malagasy mandranto fianarana any Etazonia  ary ny fampiroboroboana ny sehatrin’ny fizahan-tany

Mandritra ireo 2 andro ireo dia hisy ny lohahevitra ho hazavaina ka isan’izany ny asan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo eto Madagasikara eo ihany koa ny fampahafantarana ny asany masoivoho Amerikana eto amin-tsika

Marihina fa ny firenena Amerikana dia anisan’ireo firenena voalohany nanaiky ny fahaleovantenany Madagasikara

 

Laisser un commentaire