Mandrangaranga ady amin’ireo mpino silamo ny Minisitra Paul Rabary

Tokony hiverina amin’ny teniny ny minisitra Paul Rabary ny amin’ny fanambarany fa ho hakatona avokoa  ireo sekoly koranika eto Madagasikara  koa raha izay no zava misy  dia hisy fepetra ho raisin’izy ireo mpino silamo satria  manakorontana ny mpino silamo ny fanapahan-kevitra noraisiny Minisitra.

Betsaka loatra hoy ireto mpino silamo ireto ny olana misy eto amin’ny firenena tokony ho vahana kanefa dia mamboly olana hafa indray ny minisitra Paul Rabary ka fanontaniana no napetrak’izy ireo hoe mpandinika fiaraha monina ny tenany sa mpankahala ny finoana silamo.

Ny taonjato faha 7 no nahatongavany teto amboniny tany ary efa azo lazaina fa finoana maneran-tany ,tsy misy tany tsy ahitana ny silamo I miliara 600 tapitrisa ireo mpino silamo  amin’izao fotoana izao.

Tany amin’ny taonjato faha 9 no nahatongavany finoana silamo teto Madagasikara ka nitondrany  ireo kolotora sy ny sivilizasiona  silamo. Misy faritra eto Madagasikara izay tsy ahitana afa-tsy musulmana izay no midika fa tsy vahiny eto  ny silamo satria izy ireo no finoana tonga teto voalohany ary efa hankalaza ny jobily faha 1200 taona nidirany silamo teto Madagasikara ny silamo.

Marihina hoy izy ireo fa  samy manana ny safidiny amin’ny finoany harahiny  ny olona tsirairay. Noho izany tsy loza mitatao ho an’ny fiaraha monina malagasy ny  finoana silamo

Laisser un commentaire