Handray fanapahan-kevitra hentitra ny fikambanan’ireo gadra politika.

Handray fanapahan-kevitra hentitra ny fikambanan’ireo gadra politika raha tsy mivaly mialohany datiny faha 26 ny volana jiona  ny fitakiana hataon’izy ireo.

Tsy hijanona ary hitohy ny fitakiana ny tokony hanonerana ireo gadra politika nandritra ny krizy  nifanesy teto amin’ny firenena.

Efa maro ireo fihaonana notanterahina Fedep  niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ka isan’izany  ny fihaonana  avy eo anivony CFM ,ny Pnud , vondrona Afrikana ka nanamafisana fa efa 9 taona no nanaovana ny fitakiana ka tapitra hatreto ny fangatahana.

Etsy ankilany na dia eo aza ireo asa efa vita mikasika ny fampihavanam-pirenena dia hita fa mihemotra ny fanatanterahana izany kanefa ny efa nanolo-tena tamin’izao fitondrana izao ny fikambanan’ireo gadra politika fa hifanome Tanana ny amin’ny hanatanterahana izany.

Tsy misy olona afaka hilaza fa ao aorinany fifidianana vao hatao ny fampihavanana ,hatreto anefa tsy mbola misy ny fepetra raisiny fitondram-panjakana ka mandeha ila ny fampihavanana.

Raha ny mahakasika ny fifidianana indray kosa dia tsy misy sahy milaza eto fa hilamina ny fifidianana na ny lalana mifehy azy aza tsy fantatra mazava ny ao anatiny.

 

Laisser un commentaire