FJKM : Ho tanterahina any Toamasina ny fankalazana ny faha 200 taona LMS sy ny faha 50 taona ny FJKM

Ny  12 ka hatramin’ny faha 19 ny volana Aogositra ho avy izao no ho tontosaina  any toamasina ny ivon’ny jobily faha 200 taona nidiran’ ny Misionera LMS (London Missionary Society ) teto Madagasikara  sy ny faha 50 taonan’ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy eto Madagasikara .

Noho izany dia asaina avokoa ny kristiana FJKM manerana ny sinaodam-paritany miisa 38  eto an-toerana  sy ny any ampitan-dranomasina hiara-paly mandritra ireo andro lehibe ireo izay marihina fa voalohany no hankalazana izany eto amin’ny sahan’ny FJKM .

Ho feno  ny fandaharam-potoana manomboka ny Alahady faha 12 ka hatramin’ny Alahady faha 19 ny volana Aogositra ka isan’izany ny fotoam-pivavahana isa-maraina arahina asa fampaherezana , fanompoam-pivavahana isan-kariva arahina velan-kevitra samihafa ,ny  fijoroana vavolombelona ,fitokanana tsangambato ,sakafon-jobily ,antsan-kira sy teatra momba ny tantarany LMS sy ireo maro hafa .

Marihina fa trano sekoly lehibe any Toamasina  no tsangambatony taon-jobily ary tranobe misy rihana 3 kosa  ho an’ny eto Antananarivo izay nato hahazaka mpianatra 200 isa ho enti manatanteraka ny vinan’ny FJKM ny amin’ny ahafahana mamoaka mpitandrina miisa 100 isan-taona .

Laisser un commentaire