Faha 5 Taona ny Sekoly E-media sy fivoahan’ny andiany E-joro

Goavana ireo mpianatra andiany faha 4 navokany E-media Mpianatra miisa 320 no navoka taminy fomba ofisialy teto anivony sekoly Mpianatra nahavita ny fianarana mikasika ny feo ,ny sary ,ny tranokala ,ary ny fakan-tsary.

10 volana ny faharetany fianarana ka anisany nampiavaka ireto andiany faha 4 ireto ny fiarahana taminy Abel Rakotozanany, teo ihany koa ny famolavolana ireo ankizy efa nivoka hatramin’izay niampy ny fikarohana ho entina hanatsarana ny fampianarana.

Mivoatra hatrany ny famoahana mpianatra eto anivony Emedia satria raha taminy andiany voalohany dia ireo fitaovana nisy teo ampelatanana no nampiasaina , nivoatra kosa izany amin’izao fotoana izao.

Maro ny sehatra afaka hidirana fa tsy ho voatery hitady asa ny mpianatra mivoaka eto aminy Emedia ,afaka ampiasaina avy hatrany ny traikefa efa hananana ahafahana mamorona asa hoa n’ny tena ,noho izany tsy voatery ho mpaka sary na mpandrafitra sary fotsiny ihany ny mpianatra fa afaka mamorona zavatra hafa ihany koa.

Nampanantena ny tale jeneraliny Emedia fa tsy maintsy ho ampanarana ny teknolojia misy any ivelany ny fitaovana hampiasaina ,izany hoe ireo hiaka farany malaza any tsy ivelany dia maintsy ho tonga eto amin-tsika.




Laisser un commentaire