8 volana izao no nandaozany RABARISON TIANA NANTENAINA na i « Nanah »ny fianakaviany

Banga  ny   fianakaviana    kanefa   tsy  maintsy   hatrehana   ny   fiainana  hoy RABARISON  TIANA  Ray  niteraka an’ny  Nanah. Tampoka ny  fisarahana  satria  tsy   nisy  nanampo fa tsy  hiverina  ao an-trano intsony  Nanah raha niala tao an-tranony  Alahady  faha 10 ny  volana   Mey  2015. Tokony ho tamin’ny  1 ora  tolakandro no nialany  tao an-tranony   ary  nilaza fa hanao  famerenana dihy miaraka   amin’ny  Aina   Fetra  namany  akaiky. Rehefa  nigadona  ny   tamin’ny 7 ora  hariva  ka tsy  mbola  tonga tao an-trano izy   dia nanomboka ny fikarohana ,nantsoina ny  findainy  izay marihina fa   maneno  kanefa  tsy misy  mandray .

Hatreo mbola nanatena ireo Ray aman-dreny fa tsy maninona  I NANAH  saingy rehefa nantsoina avokoa ireo namany rehetra dia nanambara fa tokony ho jerena ny kaonty Facebook  ka teo no nahalalana fa nifanao fotoana teny amin’ny Mausolée  I NANAH  sy I Aina Fetra.

Raha araka ny fitantarany rainy hatrany dia efa ela no mpinamana I NANAH sy Aina F  saingy tsy fantatra mazava izay nahazo an’ny Aina  tamin’io Alahady io satria dia izy no nilaza fa namono nahafaty   an’ny NANAH  ,tsatok’antsy  6  teo  amin’ny  tendany no nitarika ny  fahafatesany ankoatra ny hitsaka natao teo amin’ny  lohany.

Mety  ho avotra  ihany ny ainy  raha  voavonjy  io  Alahady  io izy  hoy ny Rainy mitantara.

Teo no nanomboka ny famotorana  sy ny fanadihadiana ary efa tazonina eny amin’ny fonjany Tsiafahy I Aina Fetra amin’izao fotoana hanoratana izao. Raha tsiahivina dia nanatanteraka ny fanodinana ny  clip “Nampitapy Ahy “  2 andro mialohany nahafatesany  I Nanah  niaraka tamin’ny tarika Taratra. Taorian’iny voina iny dia efa nivoaka  ihany koa  ny clip hita  anaty you tube rakitsary natao hahatsiarovana azy manokana nampitondraina ny lohateny hoe “Andriampiadanana”.

Hatreto  mbola tsy hita ny findainy  ary  mbola manao antso ny Ray aman-dreniny  NANAH  ny  amin’ny  tokony  hamerena  izany. Azo lazaina ho  misy  fitavozavozana  ihany  eo anivony’ireo  mpandraraha  ara-pifandraisana  satria tokony ho fantatra ny toerana misy io finday io. Ny zava mitranga toy izao dia azo hitarafana fa tsy mandeha ny fiaraha- monintsika  ,tsy misy fahalala-pomba avy amin’ireo Ray aman-dreniny   Aina Fetra  minia mikipy   manoloana ny zava-misy. Mbola misy ihany koa  ny olona ahiahiana  ary  handeha amin’ity volana Janoary ity ny  raharaha eny anivony  fitsarana ary  mbola fitazonana  vonjy  maika no hatao an’ny Aina Fetra  eny  amin’ny fonjany Tsiafahy.

Zazavavy   tsotra  I NANAH ,mivatambatam-piteny  ,tsy mba tia miolakolaka , tsy tia ratsy ,tia namana ,tia mifanakalo hevitra  ,mpandray ny fanasany tompo  sariaka ary tia fanatanjahan-tena  saika hananany avokoa ireo toetra tsara rehetra. Nanangana   communauté  “ensemble pour NANAH “ ihany koa ny fianakaviana natao hahatsiarovana azy  ary fikambanana  hiarahana amin’ireo  namany

Tsiahivina fa efa nisy hetsika natao ny volana Novambra lasa teo  hetsika nantsoina hoe “Marche Blanche “.

Mafy ny fisarahana kanefa tsy maintsy hatrehana ny fiainana hoy ny rainy NANAH mitantara , banga ny  tokantrano  , ary tsy  adino  fa miraikitra  ao am-po  mandrakizay  ,tsy maty NANAH  fa nifindra toerana  fotsiny  i  ,Kristianina  ihany  koa ka tsy maintsy  mitraka. Izay no tranga niseho tamin’ny fianakaviana TIANA  RABARISON    ,tokony ho samy ho mailo ny Ray aman-dreny  satria tsy kely lalana ny ratsy  ,aminy tsy anjara no nahafaty ny zanany  fa voina niniana natao.

Natao izao fanadihadiana izao mba hahatsiarovana an’ny NANAH  sy ho anatra ho an’ny ho avy indrindra ho an’ny tanora mba tsy hanaonao  foana.

Hk

 

Laisser un commentaire